Tsy misy tranom-bitro ratsy – Ny fototry ny fahombiazana amin’ny fiompiana bitro
Ao anatin’ny tontolon’ny fiompiana bitro, maro no mihevitra fa mila fanamboarana sarobidy sy teknika be loatra vao mahavita manangana trano bitro tsara. Fa eto amin’ny Ferme Acacia, mino sy mampiely finoana iray izahay : TSY MISY TRANOM-BITRO RATSY.
Ny tena maha-zava-dehibe ny tranom-bitro dia tsy amin’ny hakanton’ny endriny, fa amin’ny fifanarahan’ilay rafitra amin’ny asa andavanandro sy ny filàn’ny biby.


🎯 Ny Trano no Mamaritra ny Asa
Ny fomba hananganana tranom-bitro dia mamaritra mivantana hoe hafiriana no lany hanadiovana azy, hanomezana sakafo, hanarahamaso ny fahasalaman’ny biby, ary koa amin’ny fomba fandehanan’ny rivotra sy ny fitandrovana ny fahadiovana.
-
Trano manara-penitra ≠ trano lafo
-
Trano madio sy miasa tsara = asa mora, fotoana voavonjy, fiompiana mahomby
Fanamboarana manam-pahaizana? Tsy voatery!
Raha mifantoka amin’ny fahombiazana no tanjona, dia ilaina ny manangana trano:
-
Azo idirana sy diovina mora,
-
Mamela rivotra malalaka nefa miaro amin’ny orana sy masoandro be,
-
Mamela fikarakarana haingana sy tsy mandany hery be.
Lalàna iray : Amboary ny trano araka ny fomba fiasanao.
Ny biby tsy mangataka trano « tsara tarehy », fa mitaky toerana madio, milamina, sy afaka miaina tsara. Raha mifanaraka amin’ny fikarakarana ilaintsika isan’andro ny trano, dia mihena ny havizanana, misimisy kokoa ny fahafinaretana miompiana, ary lasa mitombo ho azy ny vokatra.


✅ Refy ho an'ny cage iray (bitro iray):
-
Halaliny (Lalina / profondeur): 80 cm
-
Sakany (Largeur / largeur de face): 60 cm hatramin’ny 100 cm (arakaraka ny toerana misy anao sy ny karazan'ilay bitro)
-
Haavony (Hauteur): 50 cm ny kely indrindra


🛠️ Fanamarihana manan-danja:
-
Raha bitro lehibe (toy ny karazany vaventy), sakany 90–100 cm no tsara kokoa.
-
Raha bitro tanora na fiompiana amin’ny tanjona tsotra, sakany 60–80 cm dia ampy.


✅ Farany : Tsy trano lehibe no ilaina, fa trano mahomby!
Aleo trano madinika saingy ahazoana vokatra tsara sy tsy mandreraka ny mpiompy, toy izay trano mitovy amin’ny an’ny any ivelany fa tsy misy ifandraisany amin’ny zava-misy eto an-toerana no manahirana aminy andavanan'andro
MAHOMBY KOKOA – Rehefa amboarina amin’ny fomba mitombina ny tranom-bitro, dia mihena ny asa, mitombo ny vokatra, ary mahazo aina ny mpiompy sy ny biby.
#TranoBitro #FiompianaMahomby #FermeAcacia #MahombyKokoa #TsyMisyTranoRatsy