Fiompiana bitro eto Madagasikara ????
Ny fiompiana bitro dia fiompiana manomboka manana ny toerany eto Madagasikara, satria ny bitro dia mora ompiana ary manome hena sy fidiram-bola fanampiny ho an’ny mpiompy.
Ankoatra ny maha-hena azy, dia sarobidy ihany koa izy amin'ny ireo karazana vokatra hafa azo avy aminy toy hodiny, izay ampiasaina amin'ny fanaovana akanjo sy kojakoja. Ny fiompiana bitro, araka izany, dia afaka manome loharanom-bola fanampiny ho an’ny tantsaha eto an-toerana.
Izahay ato amin'ny ACACIA dia manohana tanteraka ny fiompiana bitro eto Madagasikara amin'ny alalan'ny fanomezana torohevitra sy fanofanana ireo tantsaha momba ny fomba fiompiana sy fitantanana tsara indrindra mba tsy hahafaty antoka azy rehefa misehetra ato anatin'ny fiompiana Bitro.
Mino izahay fa ny fiompiana bitro dia afaka mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanjarian-tsakafo sy ny fampihenana ny tahan'ny tsy fananana asa eto Madagasikara.
Raha liana amin'ny fiompiana bitro ianao dia aza misalasala mifandray aminay raha mila fanazavana fanampiny. Afaka manohana ny tantsaha - mpiompy sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara miaraka isika.